FJKM Amparibe Famonjena

Raharaha Alahady 20 Jolay 2025

Hoy ny Soratra Masina : « Fa ianareo kosa dia fanjakam-pisorona, firenena masina, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.» I Petera 2. 9

Manantitra ny arahaba ho antsika rehetra amin’ny Anaran’ny Tompo ry Havana , miarahaba manokana anareo Birao sy komity ary mpikambana sampan VFL rehetra nahatratra ity andro fanateram-bokatry ny sampana ity . tononina manokana ho anareo vahiny tonga miara miombom-bavaka aminay eto Amparibe Famonjena ihany koa izany . Ho aminareo hatrany anie ny Fiadanana..

Alahady V manaraka ny Trinite, ny andro anio, Alahady natokan’ny FJKM hitondrana am-bavaka ny SFL .Miaina hatrany ny loha hevitra iombonan’ny FJKM hoe :« Olom-boaantso ny mpino » isika.

Manasa ary anao hanaraka izao raharahan’ny fiangonana izao.

  • FOIBE FJKM/ FIVAROTAMBOKY ANTSO

    Ho fiatrehana ny fiomanana amin’ny mpianatra amin’ity taompianarana vaovao ity ; ny trano fivarotam-boky FJKM ANTSO dia manolotra fihenam-bidy amin’ireo fitaovam-pianarana . Manentana ny kristiana hanjifa fitaovana ao , misy tapakila tapakila azo alaina ao amin’ny biraon’ny fiangonana na ny mpandraharaha hanamarinana ny maha kristiana anao eto amin’ny fiangonana.

  • ONIFRA/Oniversite RAVELOJAONA

    Mampahafantatra izay maniry ny hanohy fianarana ao amin’ny OniFRa fa hisy ny varavarana misokatra “ Portes ouvertes” ny Talata 29 Jolay manomboka amin’ny 9ora maraina. Hisokatra amin’io andro io ihany koa ny fandraisana fisoratana anarana ho amin’ny taom-pianarana 2025-2026. Ny fifaninanana hidirana L 1 kosa dia ny 27 Aogositra sy 17 Septambra.

  • ARM/FDL

    Hotanterahina ny Alahady 27 Jolay 2025 eny Antsahamanitra ny fanompoam-pivavahana ho fanirahana ireo Mpitandrina sy Mpampianatra eto anivon’ny FJKM koa manasa ny Kristiana hiara iombom-bavaka amin’izany. Mangataka Diakona 22 avy eto amin’ny Fitandremana hanatanteraka ny fanatazana ny rakitra amin’io fotoana io.Ny fotoana handraisana ny fandaminana dia ny Sabotsy 26 Jolay amin’ny 9ora eo Antsahamanitra aoka hisy solotena hanatrika izany.

  • SPAA10 – FJKM AMBOHIMANDROSO FIORENANA

    FJKM AMBOHIMANDROSO FIORENANA : Ivon’ny Jobily fa 25 taona naha mpitandrina an’Atoa SOAVINARIVO Tiburce sy faha 25 taona ny fiaraha-miasa tamin’ny FJKM Ambohimandroso Fiorenana ny Alakamisy 24 Jolay amin’ny 9ora30 maraina.

  • SPAA10 – FJKM IALANANA VAVOLOMBELON’NY FIADANANA

    fandraisan-tanana ny Mpitandrina RANOMISON Solohery , mianakavy ny Zoma 25 Jolay amin’ny 9ora30.

  • Ireo fotoana ireo dia hanasana ny Mpitandrina mivady sy ny solotenan’ny Fiangonana.

  • FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY MALAGASY

    Manasa ny Kristiana hiara hisaotra an’Andriamanitra amin’ny fanompoam-pivavahana izay hotanterahina anio Alahady 20 Jolay amin’ny 3ora tolakandro ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely . Amin’io fotoana io no hamoahana ny boky fampiorenam-pinoana mitondra ny lohateny hoe : “ Mifamotoana Amin’i Jesoa Kristy”

  • Alahady natokana hitondrana am-bavaka ny VFL ny andro anio sady famaranana ny herinandrom-bokatry ny Sampana .
  • Ny rakitra anio I dia ho an’ny fiainan’ny fiangonana , ny rakitra II kosa hanohanana ny asan’ny VFL.
  • Mandritra ny asa vavolombelona izao maraina izao dia hisy ny zaza handray ny sakramentan’ny Batisa. Anio ihany koa no hametrahana sy hitsofandraono ireo Birao sy Komity fandraisan-tanana ny Mpitandrina mianankavy.
  • Mianatra ny Katekomena anio tolak’andro ny lesona anio : “Ny Kristiana andrin’ny firenena”,
  • Anio tolak’andro amin’ny 2 ora dia hisy ny fotoana izay hiarahana amin’ny fikambanana Kristiana “Tohivakan’ny Fahamarinana” na ny “Chaîne d’honneteté” . Hanasana antsika rehetra izany , aoka iomana amin’izany ny mpitendry orga sy ny mpikirakira fanamafisam-peo.
  • Mitohy toy ny mahazatra ny fotoanan’ny Sampana mandritra ny herinandro.
  • Aorian’izao fanompoam-pivavahana izao dia hasaina ny MFT hihatrika ny fivoriana ankatoky ny fandraisana sady fanomanam-panahy.
  • Amin’ny Alahady heriny anio dia hihatrika fotoan-dehibe isika dia ny ivon’ny Jobily faha 125 Taona ny Sampana Dorkasy . Hisy ihany koa ny fanatanterahan’ireo voaantso ho mpiandraikitra ao amin’ny SAMPATI ny fanekena maha mpiandraikitra.
  • Ho fiatrehany ny fanokanana ho Mpitandrina dia ho tonga hivarotra vokatry ny tany eto amin’ny fiangonana ny Mptandrina RAMILISON Diamondra amin’ny Alahady 27 Jolay 2025.

  • AFF

    Ampahafantarina isika fiangonana fa ny datin’ny Tafika Masina amin’ity taona ity dia toy izao : – Aumonerie HJRA : Sabotsy 9 Aogositra 2025 – FJKM Antoby Avaratra : 15-16-17 Aogositra 2025 Ireto kosa ny datin’ny fiofanana : -Alatsinainy 21/07/2025 amin’ny 6ora hariva . Loha-hevitra : » Inona no atao hoe FILAZANTSARA ? Iza no afaka mitory ho an’iza ? ho entin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael FJKM Katedraly Analakely. – Alahady 27/07/2025 amin’ny 2ora30 tolakandro. – Alahady 3-10/08/2025 amin’ny 2ora30 tolak’andro . Samy eto amin’ny fiangonna avokoa no hanatanterahana ireo fiofanana ireo.

  • SAFIF

    Antsoina ny mpikambana ao amin’ny Sampana Fifohazana ho tonga amin’ny fivoriambe izay hotanterahina ny Sabotsy 26 Jolay amin’ny 9ora 30 marainaeto amin’ny Fiangonana.

  • KOMITY FANDRAISAN-TANANA

    Antsoina ny mpikambana ao amin’ny Komity fandraisan-tanana ny Mpitandrina RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry mianankavy ho tonga hivory amin’ny Talata 22 Jolay amin’ny 5ora30 hariva eto amin’ny Fiangonana.

  • FANASANA

    ANDRIANARIVO Mialindranto Hery, Mpitandrina mianakavy dia manasa ny fiangonana hiara hisaotra sy hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanompoam-pivavahana fanirahana ireo Mpitandrina andiany “VOANTSO” ny Alahady 27/07 amin’ny 1ora antoandro ao Antsahamanitra.

  • ZAZA HANDRAY NY SAKRAMENTAN’NY BATISA

    RAMAROMANDRAY Soan Ilo Ilyas teraka tamin’ny 2 Aprily 2024 ; zanak’Atoa RAMAROMANDRAY Tojo Andrianina sy Rtoa RABEFARITRA Domoina Ravaka. Mpiantoka dia ny Ray amandreniny ihany. Dia hahatsiaro am-bavaka sy hifanotrona ary hiara hanatanteraka ireo asan’ny Tompo ireo isika ry Fiangonana malala .

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra