Ho aminareo hatrany anie ny Fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Faly miarahaba anareo ry Fiangonan’Andriamanitra. Miarahaba anareo TARANAKY NY FIANGONANA MIELIPATRANA MANERANA IZAO TONTOLO IZAO tonga miara miombom-bavaka eto Amparibe Famonjena anio.
Hoy ny TOMPO : “JEHOVAH NO MAHAFATY SY MAHAVELONA” I Samoela 2. 6a.
Alahady 29 Jona 2025, Alahady faha-II manaraka ny TRINITE sy ALAHADIN’NY TARANAKA eto amin’ny Fitandremana. Mibanjina hatrany ny lohahevitra fitaizam-panahy manao hoe «AN’NY TOMPO NY FAHEFANA».
Ny Birao SPAA10 dia faly manasa ny fiangonana amin’ny FP fihaonana sy fandraisana voalohany ny Prezida synodaly vaovao dia Atoa RAVELONANOSY Mamy Tiana ny Talata 1 jolay 2025 eny amin”ny FJKM Betafo Fanavaozana amin’ny 9ora sy sasany maraina.
Fanompoam-pivavahana noho ny faha-90 taona ny Sampana Fifohazana sy faha-20 taona Antoko Mpihira Anjomara Fifohazana – Zoma 11 jolay 2025 amin’ny 9h30.
ANTOKO MPIHIRA TANORA MASINA ITAOSY
Hanatanteraka fitoriana an-kira lehibe ny alahady 6 Jolay 2025 amin’ny 2ora tolakandro ao Antsahamanitra. Ho fiaraha-miasa, tahaka ny fanao teo aloha, dia tonga eto Amparibe ny solontenan’izy ireo hivarotra ny tapakila fidirana.
RAHARAHA ETO AN-TOERANA
Litorjia endriny faha-2 no anatanterahantsika izao Fanompoam-pivavahana izao. Alahadin’ny Taranaka sy anatanterahantsika ny Hetsika Gasigasy. Rakitra roa no hotatazana ka samy atolotra ho fiainan’ny fiangonana.
Fanoloran-jaza : AMBOARA Ny Finoana teraka ny 2 jona 2025 , zanak’Atoa Rasoloarimanana Lova Njakatiana, Mpitandrina sy Sy Rtoa Rasoamaharo Rahantaseheno, Mpitandrina.
ASA VAVOLOLOMBELONA
1) Sakramentan’ny BATISA Ny zaza RANDRIANANDRASANA MAMISOA Maharo Ny Fitia Ilohajanavalona, teraka ny 6 okt 2022, zanak’Atoa Randrianandrasana Mamisoa Haja sy Rtoa Andriamanampy Rafidison Norosoa.
2) Fetin’ny TARANAKA Niisa 111 ny isan’ny taranaka nanatona ny Alitara. Ary 1338 no totalin’ny mpiara-mivavaka androany.
FIANTSOANA FANAMBADIANA
1) Fanambadiana voalohany Atoa sy Rtoa isany : Andriamihaja Davida, Rajaonarison Nirina, Ratsimba Jocelyn William, Razafimalala Hanta Liva. Dia faly mampahafantatra ny fiangonana ny fanamasinana sy fitsofan-drano ny fanambadian’i : ANDRIAMIHAJA Safidiniaina Mandresy sy RAHANTANIRINA Aniah Prisca Ny Fanamasinana sy fitsofandrano ny fanambadiana dia kasaina hotanterahana nhy Sab 5 jolay 2025 amin’ny 9ora sy sasany maraina eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Fiantsoana 3
2) Fanambadiana faharoa NOHO NY FIANGONANA NITAIZA Atoa sy Rtoa isany : ANDRIAMAHATANA Rado sy Michelle, SMANIOTTO Didier sy Yvonne Dia faly mampahafantatra ny fiangonana ny fanamasinana sy fitsofan-drano ny fanambadian’i : SMANIOTTO Benjamin sy ANDRIAMAHATANA Johanna Ny Fanamasinana sy fitsofandrano ny fanambadiana dia kasaina hotanterahana nhy Sab 5 jolay 2025 amin’ny 2orasy sasany tolakandro ao amin’ny Eglise Catholique Saint Laurent de Beire Le Chatel Dijon France. Fiantsoana 3
FILAZANA MANJO
Ny nodimandry : RASOARISOA Lucie, ny 25 jona 2025, 81 taona. Ny mampilaza : Ny zanany : RAKOTONDRABE Haja Manjaka FANDAMINANA : Ilazana : Fiang, Sekoly Alahady, SAMPATI, SMZM Fandevenana efa tontosa ny sab 28 jona 2025 tany Ambohibary Sambaina Vakinankaratra taorian’nyFP FJKM Ambohimandroso Filadelfia Antsirabe. Fampaherezana ny fianakaviana dia tanterahana rehefa tafaverina eto Amparibe ny Fianakaviana.
Ny nodimandry : ANDRIARIMANANA Lucienne, 25 jona 2025, 61 taona. Ny mampilaza : Ny vadiny : Rabarijaona Jarry Ny zanany : Rakotoarisoa Michael sy Rabarijaona Ania mianadahy avy FANDAMINANA : Fandevenana efa tontosa ny saZoma 20 jona 2025 tany Antsahamamy taorian’nyFP FJKM Antsahamamy Fildeflia.
TARATASY AVY AMIN’NY SSAAV
FIVORIANA MPIHEVIDRAHARAHA
Antsoina ny Mpihevidraharaha, Diakona, Loholona ary ireo solotona 1 isaky ny SSAAF ho tonga amin’ny fivoriana tsy ara-potoana hotarihan’ny Birao Synodam-paritany Antananarivo Andrefana ny TALATA 1 JOLAY 2025 amin’ny 6ora hariva eto Amparibe.
=> Lahadinika : fanapahan-kevitra mahakasika ny ho tohin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Mpitandrina RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry sy ny Fitandremana Amparibe Famonjena taorian’izay heritaona niarahana niasa izay.
FIVORIAN’NY MPANDRAY NY FANASAN’NY TOMPO
Hotanterahana ny alahady 6 jolay mialoha ny FFT ny fotoana fiomanam-panahy ary aorian’ny FFT kosa ny fivorian’ny MFT.
SAMPANA TANORA KRISTIANA
FIVORIAMBE 1 : Antsoina ny mpikambana, ny raiamandreny sy ireo sakaiza ary ireo rehetra maniry hanatevin-daharana ny Sampana fa ho tanterahina anio Alahady 29 Jona ny AG I manomboka amin’ny 16h ka hatramin’ny 18h.
CONFERENCE HO AN’NY TANORA : Faly manasa anareo tanoran’ny fiangonana rehetra amin’ny conference izay hotanterahina ny Alahady 6 Jolayamin’ny 14h30 iarahana amin’ny Mpitandrina RARIJASON Hery hitondrana ny lohahevitra hoe :” Ny Kristianina sy ny vola”, izany dia hotanterahana eto amin’ny trano Fiangonana manomboka.
FIKAMBANANA MPITORITENY SY KATEKISTA
Tahaka ny fanao isaky ny sabotsy voalohany amin’ny volana dia hotanterahana ny sabotsy 5 jolay 2025 amin’ny 8ora maraina ao amin’ny Akany Rainimamonjy ny fivoriana ka andraisana ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe ” Mpanompon’Andriamanitra mahatoky amin’ny fanompoana arak any I Koritiana 11. 1.
Sab 5 jolay 2025 : fitsangatsanganana sy grand gouter eny Green Park Antsampandrano Ilafy. Mitondra vary masaka, gouter, tenue de sport, fandraisana anjara 2000Ar/ ankizy. 3000Ar / ray amandreny sy sakaiza.
Alahady 6 Jolay 2025 amin’ny 7ora sy sasany maraina : Sekolin’ny ray amandreny.
SVM – RANTSANA FANANTENANA
Mampahafantatra ny fiangonana fa hanatanteraka antsam-piderana izy ireo eny amin’ny FJKM Ambodihady anio alahady 29 jona 2025 manomboka amin’ny 5ora hariva.
Teny fisaorana noho ny fahatontosan’ny Herinandrom-bokatra. 16 – 22 jona 2025. Misaotra an’Andriamanitra, ny raiamandreny Mpitandrina, ny SMZM, ny rafitra rehetra ary ny fiangonana manontolo tamin’ny fanotronana, fitondrana am-bavaka, fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana ary ny fiombonam-pifaliana.
Dia hahatsiaro am-bavaka ireo asan’ny Tompo hankininy amin’ny Fiangonana ireo isika ry Havana ary hifanome tanana hanatanteraka sy hifanotrona mandrakariva amin’izany.